×

FIZARANA TITRE BOENY

FIZARANA TITRE BOENY

Nitohy teto Morondava ny fizarana ireo Bokin-tany na Titre ho an’ny Faritra BOENY. Miisa 2000 Bokin-tany na Titra eo ho eo ny Vitany MATSF avy amin’ny alalany Opérations domaniales concertées (ODOC) na Asa Titra Faobe sy avy amin’ny Kadasitra faobe ihany koa tao Belo sur Tsiribihina.

Voalohany teto Morondava no nanaovana ireo asa ireo ary natao ireo Titra ireo tao anatin’ny Fotoana Fohy sy amin’ny sarany mora kokoa ho an’ny mpanjifa.

Hoan’ny ODOC natao teto morondava dia miisa 1008 Titra no natonta ary mandrakotra 18 Fokontany ho an’ny Kaominina Ambonivohitry Morondava izay manomboka eo Antsakoameloka ka hatrany Betania.

Ho tohiny asa fanamafisana sy fiarovana ny zo fananan-tany ety ifotony dia hanatanteraka ODOC isaky District ny Fiaripiadidian’ny Fananan-tany sy Fandrefesan-tany eto Morondava izay iarahana miasa amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fanajariana ny Tany. Ireo Distrika voakasika dia Manja, Morondava Ville, Mahabo, Belo sur mer et Belo sur Tsiribihina.