×

FIZARANA TITRE SY KARATANY TANY MIARINARIVO

FIZARANA TITRE SY KARATANY TANY MIARINARIVO

Tontosa anio 04 Oktobra 2023 tao Miarinarivo ny fizarana Titre sy Karatany ho an’ny Faritra ITASY.

Lanonana Izay notarihin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, Andriamatoa Holder RAMAHOLIMASY, ny Solotenan’ny Minisitra mpiahy ny Faritra Itasy , ny Governora ny Faritra Itasy, notronin’ ireo olom-panjakana voafidy sy voatendry tany an-toerana.

Karatany miisa 110 000 no ho zaraina eto Itasy, 40 000 no nozaraina tao Miarinarivo.

Nisy koa ny fizarana 98 titres ankoatra ny Karatany.

Faly ny vahoaka an’ny Miarinarivo ary maneho fisaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny ezaka rehetra hizarana ny tany ho an’ny Malagasy.

« Karatany : fananan-tany tsotra, mora, manakaiky vahoaka »