×

FIZARANA TITRE SY KARATANY | VAKINANKARATRA

FIZARANA TITRE SY KARATANY | VAKINANKARATRA

Tontosa anio 27 Oktobra 2023 tao Antsirabe ny fizarana Titre sy Karatany ho an’ny Faritra VAKINANKARATRA.

Lanonana Izay notarihin’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany, Andriamatoa Holder RAMAHOLIMASY, ny Governora ny Faritra Vakinankaratra, ny Ben’ny Tananan’Antsirabe, ny Prefet, notronin’ ireo olom-panjakana voafidy sy voatendry tany an-toerana.

Karatany miisa 107 000 no ho zaraina eto amin’ny Faritra, 2 300 no nozaraina teto Antsirabe.

Nisy koa ny fizarana 2000 titres ankoatra ny Karatany.

Faly ny vahoaka an’Antsirabe ary maneho fisaorana ny fitondram-panjakana tamin’ny ezaka rehetra hizarana ny tany ho an’ny Malagasy.

Ny Hetsika Karatany Faobe moa dia niarahana tamin’ny tetikasa CASEF izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.

« Karatany : fananan-tany tsotra, mora, manakaiky vahoaka »

1 commentaire

comments user
herindy

J’aime